<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>739</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jehovah Tompon'aina,
 O, tahio ny taninay !
 Mba fohazy, re ny saina
 Sy fanahinay hahay
 Mankatò sy mankalaza
 Ny Anaranao,
 Mba ho fantatray mazava
 Ny fitiavanao.

[V2]
 Iantranao, ry Jesosy,
 Hazavao ny Nosinay,
 Ka ny fon'ny Malagasy
 Diovy re ka mba ovay,
 Tsy hanompo sampy intsony
 Fa hazava re,
 Ka ho sitraky ny fony
 Ny ho masina e !

[V3]
 O, tahio ny Faritany
 Mba handray ny teninao
 Na ambony na ambany
 Mba tsarovy, iantrao !
 Ny mpitory mba iraho,
 Ka hiely anie,
 Omeo hery, hatanjaho
 Hahavita be !

[V4]
 O, Jehovah, Ray mahery,
 Sakambino izahay,
 Eny, Hianao irery
 No mba hany tokinay ;
 Ka ny ratsy mba sakano
 Tsy hanimba anay,
 Fa ny tsara no tohano
 Hiadananay.

[V5]
 Ao koa ny mpanao lalàna
 Mba toroy ny marina,
 Ireo manam-pahefana
 Omeonao sain-dalina !
 Ka ny tany mba ampio
 Handry fahizay !
 O, arovy sy tahio
 Ny mpitondra anay !

[V6]
 Indreo ny isan-tokantrano
 Mba tsidiho, hafanao,
 Ka ny zanakay tantano
 Sy trotroy ho olonao !
 Eny, Tompo, mandrosoa,
 Anjakao izahay
 Ka onenonao tokoa
 Izao ny Nosinay.</lyrics>
<title>Ry Jehovah Tompon'aina, FFPM739</title>
</song>